Fiaraha-miasa amin’ny USAID
Angovo azo havaozina ho an’ny tontolo ambanivohitra
✳️ Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana an’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH) Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier, teto amin’ny toeram-piasany eto Ampandrianomby, ny 1 Oktobra 2024, ny Delegasiona avy amin’ny « United States Agency for International Development » (USAID).
✅ Lahadinika nandritra ny fihaonana teo amin’ny roa tonta, ny momba ireo tetikasa hifandrimbonana eo amin’ny sehatry ny angovo. Anisan’ny tohanan’ny USAID manerana an’i Afrika, ny fampiroboroboana ny fampiasana angovo azo havaozina. Laharam-pahamehana amin’ny fisitrahana izany, ny tontolo ambanivohitra. Ho antsika eto Madagasikara, dia voalohany ny famatsiam-bola ny fanatanterahana ny Tetikasa Volobe. Eo ihany koa ireo paompin-drano mampiasa ny herin’ny masoandro.
❇️ Nitarika ireto vahiny, ny Tale Jeneralin’ny USAID eto Madagasikara, Rtoa Michele RUSSELL, notronin’ny « USA Embassy Economic and Commercial Officer », Atoa Paul C. COLOMBINI, ny « USAID SEED Office Director », Atoa Benjamin SKOLNIK, ary ny « Power Africa Advisor and Country Representative », Rtoa RAKOTOMAMONJY Daniela.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *