Fiaraha-miasa amin’ny UNOPS
Fanaovan-tsonia teto Ampandrianomby
Tontosa ny 16 Septambra 2024 teto Ampandrianomby, ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham- piaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH) sy ny Biraon’ny Firenena Mikambana ho an’ireo Sampana Manohana Tetikasa na « Bureau des Nations Unies pour les Services d’Appui aux Projets » (UNOPS).
Nitarika ny Delegasiona avy amin’ny UNOPS, ny Tale sady mpisolo tena ny Birao, Rtoa Tatiana WAH. Nandray ny vahiny kosa, ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier. Tanjona lehibe amin’ity fifanarahana ity, ny fametrahana drafitra ho an’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta , ary ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpisehatra rehetra na miankina na tsy miankina. Anisan’ny hisitraka ny tetikasa ireo rantsamangaikan’ny MEH, dia ny JIRAMA sy ny ADER.
Tanjona iraisana ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina eto Madagasikara sy ny hampitombo avy roa heny ny tahan’ny vahoaka misitraka herinaratra, araka ny ODD7 dia ny fampisitrahana angovo maharitra sy maoderina ho an’ny rehetra, ary amin’ny vidiny takatry ny besinimaro.
Marihina fa izao fanaovan-tsonia fifanarahana izao dia tafiditra ihany koa amin’ny fanatanterahana ny « Nouvelle Politique de l’Energie » (NPE) 2015-2030, ho firosoana amin’ireo tetikasa maro eo amin’ny sehatry ny Angovo eto Madagasikara, sy ho fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana (PGE).