Fiaraha-miasa amin’ny BAD
✅️Notanterahina androany 6 Mey 2024 tao amin’ny Novotel Alarobia ny atrikasa fanangonana voka-baovao, ho fandrafetana ny antontan-taratasy misahana ny paikady ho fampandrosoana ny firenena ho an’ny taona 2022-2026 (DSP), ary ny fiarahana nanao jery todika ireo zava-bita ho an’ny taona 2022-2024 (RPPP), miaraka amin’ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana (BAD).
💡Manan-danja tokoa ny sehatry ny angovo ho an’ny fampandrosoana ny Firenena, satria ny 26 % mandrafitra ny zava-bita ho an’ny fampandrosoana dia mahakasika ny tontolon’ny angovo avokoa.
.
🤝 Momba ny fiaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Angovo sy Akoranafo (MEH) sy ny BAD, dia vonona ny hifanome tanana ho an’ny fampiroboroboana ireo tetikasa amin’ny angovo eto Afrika izy ireo, tsy latsa-danja amin’izany i Madagasikara. Hanafaingana ireo tetikasa an-dalam-panatanterahana ny fanampiana avy amin’izy ireo.
🟧 Ho fandrafetana ny antotan-taratasy misahana ny paikady ho fampandrosoana ny firenena (DSP), dia voaresaka ho an’ny sehatry ny angovo ny fametrahana ny tambazotra mitondra herinaratra  »Haute Tension » (HT) mirefy 532 km , ary tambazotra mitondra herinaratra  »Moyenne Tension  » (MT) sy  » Basse Tension » (BT) izay mirefy 2909 km. Miisa 22 ny kaominina Ambanivohitra hisitraka herinaratra amin’izany.
🔆 Nanamafy ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier, fa na dia mbola ambany aza ny tahan’ny fisitrahana herinaratra eto Madagasikara, dia mitady ny vahaolana rehetra hampitomboana ny famokarana angovo sy ny fampitana izany ny Fanjakana Malagasy, zava-dehibe noho izany ny fanatanterahana ireo tetikasa izay iarahana amin’ny BAD.
⏹️ Marihina fa Minisitra maromaro no nanatrika ny atrikasa androany, anisany ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MEF), ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka (MINSANP), ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy (MEDD), ny Minisitry ny Asa Vaventy (MTP), ireo solontenan’ny mpiara-miombon’antoka ary ny avy amin’ny sehatra tsy miankina.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *