Angovo azo avaozina
Fiaraha-miasa amin’ny Alemana
🤝Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana an’ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo (MEH) Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier, teto amin’ny toeram-piasany eto Ampandrianomby ny 6 Marsa 2024 ny Delegasiona notarihan’ ny Masoivohon’ny Repoblika Federalin’i Alemana eto Madagasikara Atoa Michael HÄUSLER. Niaraka taminy ny Tale Jeneralin’ny « Africa GreenTec Madagascar », Atoa Moritz BRAUCHLE, sy ny Lehiben’ny Tetikasa GIZ-PERER, Atoa Carlos MIRO.
✅Nivoitra nandritra ny fihaonana fa anisan’ny laharam-pahamehana amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ny fampiroboroboana ny angovo azo avaozina, indrindra ny fampidirana herinaratra ho an’ny tontolo ambanivohitra. Ankoatra izay dia handray anjara mavitrika amin’ny fanampiana ara-tsosialy koa ireo orinasa sy Tetikasa Alemana izay misehatra amin’ny angovo eto Madagasikara.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *