Niompana tamin’ny fanafainganana ireo tetikasa hahafahana mamatsy herinaratra ireo tokantrano malagasy indray ny fihaonana niarahan’ny Filohan’ny Repoblika niaraka tamin’ny Banky Iraisam-pirenena androany. Samy naneho ny fahavononany hitondra vahaolana maharitra ny roa tonta manoloana ny hamehan’ny olan’ny herinaratra eto Madagasikara anisan’izany ny tetikasa vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena #LEAD sy #DECIM. Tafiditra ao anatin’izany ny fanamafisana ireo toby mpitsinjara herinaratra eo amin’ny RIA mba haharaka ny filan’ny mponina. Eo ihany koa ny fanafainganana ny fananganana ireo ivon-toerana mpamokatra herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Ankoatra izay dia tafiditra ao anatin’ireo tetikasa ireo ihany koa ny fitsinjarana « kits solaires » ho ana tokantrano hatramin’ny 1.200.000 manerana ny Nosy sy ny fampidirana herinaratra eny anivon’ireo CSB.