Hazavana ho an’ny daholobe
Fanolorana jiro ho an’i Toliara I sy II ary Sakaraha
✅️ Notolorana jiro « Cobra », avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (#MEH) ny teto Toliara I sy Toliara II ary Sakaraha ny 19 Febroary 2025. Nitarika ny Delegasiona avy amin’ny MEH, ny Talen’ny Kabinetra, Atoa RANDRIANAINA Odon Marius. Nandray izany ny Governoran’ny Faritra Atsimo Andrefana , Atoa RANOELSON Edally, notronin’ny Solombavambahoaka voafidy tao Sakaraha sy ireo Ben’ny Tanàna .
❇️ Izao dia tafiditra anatin’ny ezaka fampisitrahana herinaratra ny Distrika rehetra manerana ny Nosy, ho fanatrarana ny tanjona fampitomboana avo roa heny ny tahan’ny fisitrahana herinaratra eto Madagasikara hatramin’ny taona 2030.
▶️ Fandraisana anjara lehibe ihany koa, amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy fanomezana endrika mahafinaritra ho an’ny tanàna ny fahatongavan’ireto jiro ireto, hanazavana ny lalambe sy ny elakelantrano.