Hazavana ho an’ny daholobe
Fanolorana jiro ho an’i Toliara I sy II ary Sakaraha


Notolorana jiro « Cobra », avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (
#MEH) ny teto Toliara I sy Toliara II ary Sakaraha ny 19 Febroary 2025. Nitarika ny Delegasiona avy amin’ny MEH, ny Talen’ny Kabinetra, Atoa RANDRIANAINA Odon Marius. Nandray izany ny Governoran’ny Faritra Atsimo Andrefana , Atoa RANOELSON Edally, notronin’ny Solombavambahoaka voafidy tao Sakaraha sy ireo Ben’ny Tanàna .

Izao dia tafiditra anatin’ny ezaka fampisitrahana herinaratra ny Distrika rehetra manerana ny Nosy, ho fanatrarana ny tanjona fampitomboana avo roa heny ny tahan’ny fisitrahana herinaratra eto Madagasikara hatramin’ny taona 2030.

Fandraisana anjara lehibe ihany koa, amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy fanomezana endrika mahafinaritra ho an’ny tanàna ny fahatongavan’ireto jiro ireto, hanazavana ny lalambe sy ny elakelantrano.