Hazavana ho an’ny daholobe
Fanolorana jiro ho an’i Fianarantsoa
✅ Notolorana jiro « Cobra », avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (#MEH) ny eto Fianarantsoa androany 17 Febroary 2025. Nitarika ny Delegasiona avy amin’ny MEH, ny Talen’ny Kabinetra, Atoa RANDRIANAINA Odon Marius. Nandray izany ny Ben’ny Tanàna, Atoa RAMANANDRAIBE Dama.
✳️ Izao dia tafiditra anatin’ny ezaka fampisitrahana herinaratra ny Distrika rehetra manerana ny Nosy, ho fanatrarana ny tanjona fampitomboana avo roa heny ny tahan’ny fisitrahana herinaratra eto Madagasikara hatramin’ny taona 2030.
▶️ Taorian’ny fanolorana tao Toamasina sy Antananarivo ary Antsirabe dia Fianarantsoa indray izao no misitraka ny tetikasa fanazavana ny elakelantrano sy ny lalambe.
➡️ Fandraisana anjara lehibe ihany koa, amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ny fahatongavan’ireto jiro ireto. Hitohy amin’ny toerana maro hafa ny fizaràna ny hazavana. Hianatsimo hihazo an’i Sakaraha ary hipaka hatrany Toliara ity tetikasa ity, amin’izao andiany voalohany ho an’ny taona 2025.
✴️ Taorian’ny fanolorana ireto jiro ireto teto amin’ny Biraon’ny Kaominina Fianarantsoa, dia nisy ny dinikasa mikasika ny fananganana ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro izay hanana tanjaka 5 MW, ho sitrahan’ny vahoaka eto amin’ny Faritra Matsiatra Ambony. Nitarika izany ny Talen’ny Kabinetra eto anivon’ny MEH sy ny Governoran’ny Faritra, Atoa RAZAFINDRAFITO Lova Paupil.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *