Fanitarana ny famatsiana herinaratra
Hahazo ny anjarany ny


Tontosa teto Manakara, ny 11 Janoary 2025, ny atrikasa momba ny fametrahana ny « comité ad’hoc » (CAE) amin’ny fanatanterahana ny tetikasa LEAD, momba ny asa fanitarana ny famatsiana herinaratra amin’ny alalan’ny JIRAMA (AEE), ho an’ny Distrika Manakara sy Vohipeno, Faritra Fitovinany.

Nanome toky Atoa Lehiben’ny Prefektioran’i Manakara fa ho vitaina rahampitso Alatsinainy 13 Janoary 2025, ny »arrêté préfectorale » mikasika izany mba hampalaky ny tetikasa, ho famaliana haingana ny hetahetan’ny vahoaka maniry hisitraka herinaratra.

Tonga nanatrika ny atrikasa ireo tompon’andraiki-panjakana teto an-toerana sy ny STD/CTD izay voakasiky ny tetikasa. Ny Governoran’ny Faritra Fitovinany moa dia nanamafy ny fangatahana « lampadaire solaire » miisa 160 hapetraka amin’ny Kaominina 32, ho fanazavana ny lalambe sy elakelan-trano.

Sary: DIEH p.i. Fianarantsoa