Fanitarana ny famatsiana herinaratra eto Amoron’i Mania
Notanterahina ny 27 Septambra 2024 teto Ambositra ny fivoriana miompana amin’ ny fananganana ny « comité Ad hoc », ny « Commission Administrative d’Evaluation » (CAE) mikasika ny tetikasa fanitarana (extension) ny famatsiana herinaratry ny JIRAMA na « Alimentation des Energies Electriques » (AEE) izay hiarahana tetikasa LEAD.
Distrika telo no voakasika amin’izany dia ny Distrikan’Ambositra izay ahitana Kaominina ambanivohitra miisa 4 (Ambohiponana, Ankazoambo, Ivato centre, Tsarasaotra), Distrikan’i Manandriana, ahitana Kaominina ambanivohitra miisa 3 ( Ambatonosy, Amboaroy, Ambovombe centre), ary ny Distrikan’Ambatofinandrahana izay hivadika ho »Moyenne Tension » (MT).
I Izao tetikasa izao moa dia mbola hihitatra any amin’ny Faritra Ihorombe, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana.