Fandrafetana ny Politika Nationaly momba ny fampiroboroboana ny fahandroana sakafo amin’ny alalan’ny angovo madio eto Madagasikara
✳️ Tontosa ny 23 sy 24 Jolay 2025 teto amin’ny « Calypso Hôtel » Toamasina ny Atrikasa fampahafantarana ny Politika Nationaly momban’ny fampiroboroboana ny fahandroana sakafo amin’ny alalan’ny angovo madio eto Madagasikara (Lettre de Politique de Développement de la Cuisson Propre à Madagascar). Fiaraha-misalahy teo amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo, ny #PNUD ary ny Kabinetra SAPPHYRE R&D no nahafahana nandrafitra izany.
❇️ Efa maro ireo mpisehatra eto amin’ny Faritra Atsinanana no mampiroborobo ny fampiasana « Charbon Ecologique », « Biogaz », ary ihany koa ny « Ethanol ». Nazavaina tamin’izy ireo ny atao hoe « fahandroana sakafo amin’ny alalan’ny angovo madio» (#CuissonPropre) na dia efa tsy vaovao amin’ny sofiny izy ireo intsony izany, raha tsy hilaza hafa tsy ny #MCCI na «Madagascar Clean Cooking Initiative».
✴️ Hita nandritra izany fa tena zava-dehibe tokoa ny fidirana tsikelikely amin’ny fahandroana sakafo amin’ny alalan’ny angovo madio izay voafaritra ao anatin’ilay Politika Nationaly. Mbola maro amin’izao vanim-potoana misy antsika izao no mbola miankina amin’ny fahandroana sakafo amin’ny fampiasana arina fandrehitra sy kitay (Charbon de Bois et bois de chauffe), izay manimba ny tontolo iainana, sy misy fiantraikany amin’ny fahasalamana indrindra ny vehivavy sy ny ankizy.
⏹️ Tafiditra amin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana (#PGE) sy ho fanatrarana ny #ODD7 ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny fahandroana sakafo amin’ny alalan’ny angovo madio. Mifanome tanana amin’ny fanatontosana ny Tetikasa ny Ministera maromaro sy mpikambana ao amin’ny « Comité Ad’hoc » ahitana ny solontena avy amin’ny #MEH, #MEDD, #MPS, #MICC, #MINAE, #MINSANP, #MEF. Nitarika ny Delegasiona ny Talen’ny Fampiroboroboana ny Ethanol sy ny Angovo avy amin’ny Akora Biolojika (DPEBIO), Atoa FIDIARISON Kenny Marco Louis, sy ny Talen’ny Akoranafo, Atoa RAZAFIMAMONJY Jinot. Efa nisy ny Atrikasa tany Antsiranana, Mahajanga, sy ity natao teto Toamasina ary mbola hitohy an’ny amin’ny Renivohi-paritany hafa.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *