
Tafiditra amin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana (
#PGE) sy ho fanatrarana ny
#ODD7 ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny fahandroana sakafo amin’ny alalan’ny angovo madio. Mifanome tanana amin’ny fanatontosana ny Tetikasa ny Ministera maromaro sy mpikambana ao amin’ny « Comité Ad’hoc » ahitana ny solontena avy amin’ny
#MEH,
#MEDD,
#MPS,
#MICC,
#MINAE,
#MINSANP,
#MEF. Nitarika ny Delegasiona ny Talen’ny Fampiroboroboana ny Ethanol sy ny Angovo avy amin’ny Akora Biolojika (DPEBIO), Atoa FIDIARISON Kenny Marco Louis, sy ny Talen’ny Akoranafo, Atoa RAZAFIMAMONJY Jinot. Efa nisy ny Atrikasa tany Antsiranana, Mahajanga, sy ity natao teto Toamasina ary mbola hitohy an’ny amin’ny Renivohi-paritany hafa.