
Miditra amin’ny andro faharoa eto amin’ny « Coco Lodge » Mahajanga, ny atrikasa fanavaozana sy famolavolana ary fandaniana ny fenitra vaovao amin’ny fatana mitsitsy, mampiasa kitay, sy ny arina fandrehitra (saribao). Ny lafiny teknika no nifantohan’ny dinika fifanakalozana sy adihevitra androany 12 Marsa 2025. Anisany ny bikan’ny fatana, ireo karazany, ny habeny, ny lanjany, ny refiny sy ny akora hanaovana azy.