Tambazotra Iraisan’i Toamasina
Fanatsarana hiarahana amin’ny JICA
✅️Tontosa androany 9 Janoary 2025 teto Ampandrianomby ny fanaovan-tsonia teo amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH) sy ny Delegasiona avy amin’ny Fitantanana ny Fotodrafitrasa, ny Angovo ary ny Harena an-kibon’ny tany avy amin’ny Foiben’ny JICA-Tokyo, mikasika ny tetikasa fanatsarana ny Tambazotra Iraisan’i Toamasina (Réseau Interconnecté de Toamasina) na RIT.
✳️ Tanjona ny hanatsarana ny famatsiana herinaratra eto Madagasikara, anisan’ny misitraka izany ny Faritra Atsinanana. Nanao sonia ny fifanarahana, ny Sekretera Jeneralin’ny MEH, ny Tale Jeneralin’ny JIRAMA ary ny solontenan’ny JICA.
▶️ Miisa 62 ny andrin-jiro (poteaux) handrafitra izany, mirefy 3,5 km ny tariby mitondra herinaratra eo amin’ny Fokontany Verrerie hatreo amin’ny Fokontany Bazary Be . Miisa roa ny vata mpanova herinaratra (Transformateur) eo amin’ny  »Sous-Station » Verrerie.
✴️ Marihina fa hanomboka ny volana Jona 2025 ary hifarana ny taona 2027 ny tetikasa.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *