Fanatsarana fotodrafitrasa :
Vita ny 80 % amin’ny asa eto Fianarantsoa
✅ Mandroso ny asa fanatsarana sy fanitarana fotodrafitrasa amin’ny tambazotra mamatsy herinaratra eto Fianarantsoa. 80 % amin’ny asa izao no vita.
▶️ Soloina andrinjiro (poteau en béton), ireo rehetra vita tamin’ny hazo, mitondra herinaratra 63 KV, mampitohy an’i Ranomafana sy Fianarantsoa,
▶️ Miisa 30 ireo « portiques » no soloina, toy izany koa ireo tariby mitondra 20 KV amin’ny Distrika miisa 8.
➡️ Araka ny fanazavan’ny Tale Iraisam-paritry ny Angovo sy Akoranafo (DIEH) Fianarantsoa, Atoa RASOLONIRAINY Haritiana, dia tanjona voalohany ny fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa ary ny fampandrosoana sy fampiroboroboana ny sehatry ny Angovo.
⭐Izao dia tafiditra amin’ny Tetikasa « Projet National de Réhabilitation Phase 1 », sy fanatanterahana ny Toromarika tontosaina ao anatin’ny 100 andro.
⏺️ Nidina ifotony nijery ny fandrosoan ‘ny asa teto Talata Iboaka Fianarantsoa ny teo anivon’ny DIEH Fianarantsoa sy ny solontenan’ ny JIRAMA ny 9 Janoary 2024.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *