Fanarenana ny olan’ny herinaratra ao Toamasina
Fidinana ifotony notarihin’Atoa MEH
✳️ Nanatanteraka fidinana ifotony, eto Toamasina androany 8 Aogositra 2024, ny delegasiona tarihin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier. Nijery ny olana fototra nahatonga ny fahamaizan’ny tariby ambanin’ny tany mitondra herinaratra, teto amin’ny tobim-pamokarana herinaratra eto Toamasina.
❇️ Antony voalohany ny fahanteran’ireo fitaovana sy fotodrafitrasa, izay nahatonga ny fahamaizana ka nampikorontana ny famatsiana herinaratra ho an’ny Tambazotra iraisan’ny Toamasina (RIT). Manoloana izany dia vahaolana naroso : ny fanoloana sy fanamafisana ireo tariby ambanin’ny tany ireo, ary atao ihany koa ny fanambarana ety ambony (raccordement aérien).
✅ Miara-miasa ny JIRAMA sy ny ENELEC ho famerenana ny fahatomombanan’ny herinaratra eto Toamasina ny JIRAMA. Afaka 6 andro raha ela indrindra dia hiverina amin’ny laoniny tanteraka izany.
➡️ Tsiahivina fa ity tobim-pamokarana herinaratra ity dia manana tanjaka 3,5MW, ary iandraiketan’ny orinasa ENELEC; izay maneho ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana amin’ny sehatra tsy miankina na 3P.
🟢 Nanambara ny MEH Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier, fa ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy hatrany no laharam-pahamehana, maro ny tetikasa efa mandeha ho fanampiana ny JIRAMA ho fampitomboana ny famokarana herinaratra eto Madagasikara.
🔲 Anisan’ny nandray anjara tamin’ny fidinana ifotony ny Governora sy ny Lehiben’ny Faritra Atsinanana, ny Tale Iraisam-paritry ny Angovo sy ny Akoranafo (DIEH ) Toamasina, ary ny solontena avy amin’ny JIRAMA sy ny ENELEC.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *