Fanarenana ny JIRAMA
Hatsaraina ny lafiny tsenam-baro-panjakana
✅️ Notontosaina androany 11 Avrily 2024 , teny Ambohimanambola ny atrikasa fanatsarana amin’ny fikirakirana sy fampiharana ny tsenam-baro-panjakana eo anivon’ny orinasa JIRAMA. Izany dia niarahana tamin’ny ARMP, sy ny CNM ary ny Sampana miady amin’ny Kolikoly (ULC) eto anivon’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH). Anisan’ny lahadinika ohatra ny fizaràna traikefa sy torohay amin’ny famahana olana isan-karazany.
▶️Araka ny fanazavana nentin’ny Talen’ny ULC/MEH, Atoa ANDRIAMANANTENA Hery, dia tanjona ny hanatsarana ny rafi -pitantanana eo anivon’ny orinasa JIRAMA mba ho ao anatin’ny mangarahara tanteraka sy ny fanarahan-dalàna ny asa rehetra.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *