
Laharam-pahamehana ny fanarenana sy fanatsarana ny JIRAMA

Vahaolana goavana ny fifampiresahana

Mazava fa tsisy resaka fivarotana (privatisation) ny JIRAMA ao anaty sata vaovao

Honohono ny filazana fa hisy ny fanesorana faobe ireo mpiasa

Ny fifanarahana iombonana (convention collective) momba ny zon’ny mpiasa dia tsy ho kitihana

Amporisihina hatrany ny fifampiresahana amin’ny alalan’ireo « délégués » sy « comités d’entreprise », sns

Zo ny fanaovana fitokonana, saingy saropady sy iankinan’ny ain-dehiben’ny Firenena ny lafiny famatsiana herinaratra sy ny rano. Noho izany dia tsy maintsy tanterahana ny asa voafaritra ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka

Mila hajaina ireo pitsopitsony momba ny fanaovana fitokonana, ohatra, ny fampilazana mialoha, izay tsy nisy teto

Tsy mety ary tsy azo ekena araka izany ny fanaovana fitokonana tsy mifanaraka amin’ireo voalaza eo ambony