Fanarenana ny JIRAMA
Fianatsarana ny tolotra ho fahafaham-pon’ny mpanjifa
Nanatanteraka fitsidihana sy nihaona tamin’ireo tompon’andraikitra misahana ny asa eo anivon’ny »JIRAMA Shop » teto Antsirabe ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo , Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier , androany 11 Aogositra 2024.
Fihaonana izay niompana tamin’ny fampahafantarana ireo mpiasan’ny JIRAMA tarihin’ny Tale Rtoa Herilala RANIVOARISOA, ny asa rehetra sahanina eo anivon’ity toerana ity, toy ny fandraisana ny mpanjifa , na olon-tsotra na orinasa. Ohatra ny fandoavam-bola, ny fangatahana fampidiran-jiro , ny fandraisana fitarainana amin’ny olana ara-teknika.
Voaresaka ihany koa ny sehatry ny famokarana sy fitsinjarana herinaratra sy rano, ny famatsiana solika, ny fampiodinana ny asa amin’ny ankapobeny,ny fijerena ny maha olona, ny fampiofanana, sy ny mikasika ireo tetikasa isan-karazany (hybridation, fanoloana andrin-jiro, Branchement Mora).
Tafiditra tanaty dinikasa koa ny fampahafantarana ny fomba fijerin’ny Fanjakana, sy ny fifandraisana amin’ireo manampahefana eto Antsirabe. Voalaza ihany koa ny maha zava-dehibe ny fahaiza-manao eo amin’ny lafiny serasera amin’ny ankapobeny amin’ny haino aman-jery, sy ny fanajana ireo mpanjifa ary ny firesahana amin’ny manampahefana.
Izany rehetra izany no notanterahina dia ho fanatsarana ny tolotra sy ho fanomezana fahafaham-po ho an’ny mpanjifa.