Fanaraha-maso ny fivoaran’ny tetikasa PRIRTEM I
➡️ Tanterahina manomboka androany 18 Marsa 2024, eny amin’ny Radisson Blu Ambodivona, ny fihaonana eo amin’ny tompon’andraikitry ny tetikasa PRIRTEM sy ny eto anivon’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), ary ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana (BAD), miaraka amin’ireo mpikambana anaty Vondrona Mpanatanteraka ny Tetikasa (CEP). ⏩️ Fihaonana izay haharitra 3 andro. Tanjona amin’izany ny hametrahana paikady sy fivoarana ho fampandrosoana ny tetikasa.
✳️ Hanara-maso ny dingana tsirairay ny BAD ary ireo manam-pahaizana amin’ny CEP no hanome tondrozotra mifanaraka amin’ny andraikitra andrasana amin’ ny tsirairay avy.
🔆 Ny PRIRTEM moa dia tetikasan’ny Fitondram-panjakana Malagasy entina hanamafisana sy hanatsarana ny tambazotra mitondra herinaratra mahery vaika 220 kV, mirefy 267 km, mampitohy an’ Antananarivo sy Toamasina. Laharam-pahamehana ny hamatsiana herinaratra ho an’ny Faritra ambanivohitra manodidina sy ireo toerana manamorona ny Lalam-pirenena faha-2 .

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *