Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny Alarobia 18 Septambra 2024 , ny Filan-kevitry ny Minisitra , notarihin’ny Filohan’ny Repoblika Atoa Andry RAJOELINA, ary natrehin’ny Praiminisitra, Atoa NTSAY Christian , Lehiben’ny Governemanta sy ireo Minisitra isan-tokony .
Ho an’ny sehatry ny Angovo dia nankatoavina nandritra ny fampitana am-bava ireto manaraka ireto :
Ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana famatsiam-bola ny fanatanterahana ny Tetikasa Volobe .Ny Tetikasa Volobe dia miompana amin’ny fananganana ivon-toerana mpamokatra herinaratra avy amin’ny rano, (centrale hydroélectrique) manana tanjaka 120 MW. Efa an-dalam-panatanterahana ny fanamboarana ny tambazotra fitaterana herinaratra mahery vaika,m 220 KV mirefy 267 km anelanelan’i Toamasina sy Antananarivo .
Ny hanaovan-tsonia ireto fifanarahana manaraka ireto no fahombiazana amin’ny fanatanterahana ny Tetikasa .
Drafi-pifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Africa50 sy ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitatanam-bola ho fandraisan’ny anjaran’ny Africa50 amin’ny Tetikasa Volobe izay ho tanterahina mandritra ny Fivoriamben’ny Africa50 ny 19 Septambra 2024.
Fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny BEI sy ny Ministeran’ny Toe-karena sy ny Fitatanam-bola .
Ankilan’izany , nandritry ny Fivoriamben’ny Filan-kevitry ny Minisitra nandritra ny Africa50 izay tanterahina eto Antananarivo ny faha 19 Septambra izao dia hisy ihany koa ny fifanaraham-piaraha-miasa ho soniavina manokana mikasika an’i Madagasikara dia :
Fanaovan-tsonia ny fanovana ny famaranana ny fifanarahana amin’ny Novambra 2025 raha toa ka Septambra 2024 izany teo aloha.
Fanaovan-tsonia miaraka amin’ny OPEC FUND ho famatsiana ny PAC-FC-RNT12A
Fanaovan-tsonia fanomezana mitentina 2 tapitrisa dolara avy amin’ny US DFC .
Ny fanazavana ireo dingana momba ny famatsiam-bola eo anivon’ny EXIM BANK Chine (Fivoriana FOCAC 2024) . Tanjona ny hampitovy tadin-dokanga ireo Ministera voakasika amin’ny fahazoana famatsiam-bola avy amin’ity Banky ity . Nandritra ny dian’Atoa Filohan’ny Repoblika tany Sina farany teo dia ireo tetikasa eo amin’ny sehatry ny angovo , ny fanovana eo amin’ny fambolena sy ny fotodrafitrasa no laharam-pahamehana amin’ny fiaraha-miasa amin’ny Sina.