Tontosa androany 19 Desambra 2024 ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny asa fananganana ny tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny toha-drano (centrale hydroélectrique) eto Ranomafana, Distrikan’ny Ankazobe.
Anisan’ny tobim-pamokarana goavana izy ity satria hanana tanjaka 64MW ary hamokatra 311GWh ao anatin’ny taona mifanesy. Hanampy 25% amin’ny famokarana herinaratra ato anatin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo (#RIA) sy ny manodidina, ka hampihena ny olan’ny herinaratra iainan’ny vahoaka ankehitriny.
Tarigetra ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina eto amintsika. Ankoatra ny fampitomboana ny famokarana herinaratra, dia hampihena 300 Miliara Ariary isan-taona amin’ny fividianana solika mavesatra (#HFO), hanamaivana ny fanofana milina mpihary herinaratra (groupe electrogène) mandeha amin’ny solika, ary indrindra ny hanafoana ny fanampiana ara-bola ho an’ny orinasa #JIRAMA izay mahatratra 200 hatramin’ny 250 tapitrisa Dolara isan-taona.
Fanamby lehibe no apetraky ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (#MEH), dia ny hialana tsikelikely amin’ny famokarana herinaratra mandeha amin’ny solika izay mandany vola, ary manimba ny fahasalamana sy ny tontolo iainana. Mahatratra 160.000 Taonina isan-taona ny entona ratsy (CO2), ho voailika tsy ho anaty tontolo iainana, rehefa tafatsangana ity tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny rano eto Ranomafana ity.
Naneho ny fahavononany hanampy sy hanohana an’i Madagasikara ny Firenena Sinoa amin’ny alalan’ny Masoivohony miasa sy monina eto amintsika. Araka ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Atoa Andry RAJOELINA, dia ao anatin’ny 3 taona sy tapany hatramin’ny 4 taona no hanatanterahan’ny Orinasa #SINOHYDRO ity Tetikasa lehibe ity.
Tanjona ny hanome ny vahoaka, angovo madio, maharitra ary amin’ny vidiny takatry ny besinimaro, araka ny lahatenin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier. Tonga nanome voninahitra ny fotoana, ireo olom-boafidy sy tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny.