
Tarigetra ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina eto amintsika. Ankoatra ny fampitomboana ny famokarana herinaratra, dia hampihena 300 Miliara Ariary isan-taona amin’ny fividianana solika mavesatra (
#HFO), hanamaivana ny fanofana milina mpihary herinaratra (groupe electrogène) mandeha amin’ny solika, ary indrindra ny hanafoana ny fanampiana ara-bola ho an’ny orinasa
#JIRAMA izay mahatratra 200 hatramin’ny 250 tapitrisa Dolara isan-taona.