
Ireo tetikasa ireo dia vinaina ho vita amin’ny volana Desambra 2023 sy amin’ny volana May 2024. Anisan’ny toerana hisitraka ny tetikasa : Arivonimamo, Faratsiho, Moramanga, Analavory, Ambositra, Manandriana, Fianarantsoa, Ranomafana, Mitsinjo, Bealanana, Vavatenina, Antsohihy, Toamasina, Ambovombe, Tsihombe, Vohipeno, Manakara, Midongy Atsimo, Bekily, Soavinandriana, Ampefy, Mahitsy, Anjozorobe, Ambodiatafana, Antsiranana…
Izao dia tafiditra indrindra ao anaty fanatanterahana ny Velirano faha-2 an’Atoa Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara : « angovo ho an’ny daholobe ».