Fahandroana sakafo amin’ny angovo madio
Fampiroboroboana ny kitay ekolojika
✅️ Himasoana ny fanomezan-danja ireo fomba fahandroana sakafo amin’ny angovo madio. Anisan’izany ny fampiroboroboana ny fampiasana ny kitay ekolojika, ho fiarovana ny tontolo iainana. Notanterahina ny 14 Febroary 2025 teto amin’ny Hôtel PANORAMA Andrainarivo ny atrikasa fandaniana sy fametrahana ny fenitra mikasika ny fanatsarana ny kalitaon’ny  »Briquette » eto Madagasikara .
✅️ Hilofosana ny fialana amin’ny fiankinan-doha amin’ny fampiasana kitay sy arina fandrehitra azo avy amin’ny fanapahana ny hazo, izay mbola mahatratra hatramin’ny 95% amin’ny tokantrano Malagasy no mampiasa azy.
➡️ Manoloana izany dia hapetraka ny tetikasa kitay miaro ny tontolo iainana. Manamarika izany ny fakan-kevitra teo amin’ ireo mpisehatra rehetra ho fandrafetana ny antotan-taratasy izay hatolotra eo anivon’ny Filan-kevitry ny Governemanta .
▶️ Tapaka nandritra ny fihaonana fa « Briquette bio-combustible » no hiantsoana ity akora ity. Teo ihany koa ny fanapahana miaraka ireo ambaratonga ilaina amin’ny fanamboarana io akora io, ny fomba fitehirizana azy (stockage) , ny fomba famonosana azy ( emballage), sns.
🤝 Izao dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Birao misahana ny Fenitra eto Madagasikara (BNM), ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy Fandrosoana Lovainjafy ( MEDD), ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo ( MEH) , ary ny AIDES amin’ny alalan’ny tetikasa TWENEX izay fanomezan-danja ny teknolojia ho fitrandrahana ny angovo madio amin’ny alalan’ny fanodinana ireo akora fototra (transition écologique) .
✴️ Nitarika ireo solontenan’ny MEH nandritra ny atrikasa , ny Sekretera Jeneraly, Atoa ANDRIANTSOA Thierry.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *