⃣Fampiroboroboana ny indostria :
Mitana anjara toerana voalohany ny angovo
✔️« Raha toa ka ampitahaina amin’ny vatan’olombelona, dia tahaka ny lalan-drà ny angovo… » hoy ny lahateny nataon’Atoa Minisitry ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC), androany 31 Jolay 2023 teny Ankorondrano. Tontosa ny fanaovan-tsonia ny Fifanekena momba ny Fandaharan’asa Maharitra ho an’ny Indostria (Pacte de Programmation Industrielle), niarahan’ny solontenam-panjakana nahitana ny Minisitry ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana, Atoa Edgard RAZAFINDRAVAHY, sy ny Minisitry ny Angovo sy Akoran’Afo Atoa Solo ANDRIAMANAMPISOA.
▶️ Ankilany kosa ireo avy amin’ny sehatra tsy miankina, nahitana ireo filoha sy solontenan’ny mpandraharaha Malagasy toy ny GEM (Groupement des Entreprises de Madagascar), ny SIM (Syndicat des Industries de Madagascar), ny FIVMPAMA (Fikambanan’ny Mpandraharaha Malagasy), ny GEFP (Groupement des Entreprises Franches et Partenaires), ny GFEM (Groupement des Femmes Entrepreneurs de Madagascar), ny SYMABIO (Syndicat Malgache de l’Agriculture Biologique), ny GEHEM (Groupement des Exportateurs d’Huiles Essentielles de Madagascar), ny FOMM (Fédération des Opérateurs Miniers de Madagascar) na ireo mpandraharaha eo amin’ny harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara, ary ny APPAM (Association Professionnelle du secteur Pétrolier Amont de Madagascar).
⭐Mitana toerana lehibe amin’ny sehatry ny indostria ny angovo, ary tafiditra indrindra ao anaty fampiroboroboana ny fiaraha-miombon’antoka sy fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (3P). Ohatra fotsiny ny famokarana angovo amin’ny sehatra tsy miankina (auto-production), izay nahazo famporisihana manokana avy amin’Atoa Minisitry ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana.
➡️ Misy ny tetiandro ho fanatanterahana ny fifanarahana ho fampiroboroboana ny indostria. Anisany andrandraina ao ohatra ny fametrahana ny Filakevim-pirenena ho an’ny Fampiroboroboana ny Indostria eto Madagasikara (CNIM) sy ny Didy hitsivolana momba ny Tahiry Nasionaly ho Fampandrosoana ny Indostria (FNDI). Ny CNIM no hanara-maso ny fanatanterahana ny fifanekena, ahafahan’ireo mpandraharaha mahafantatra ny sehatra iarahana miasa amin’ny Fanjakana sy ny andraikitra tandrify ny tsirairay ao anatiny.
✅ Sehatra fototra dimy moa no tafiditra ao, dia ny fandraharahana momba ny fambolena, ny lamba, ny fanodinana ny harena ankibon’ny tany, ny momba ny loha-menaka ary ny angovo azo avaozina. Mifameno tanteraka amin’ity tetiandro voalaza ity ny hamoahana ny Didy hitsivolana momba ny « autoproduction » sy ny « décret tarifaire ».
▶️ Mamatsy vola izao ezaka izao, ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana (BAD) amin’ny alalan’ny Tetikasa fanohanana ny sehatry ny indostria sy ny fampiasam-bola eto amintsika (PASF).

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *