Fampiroboroboana ny angovo azo havaozina
Tanjona ny hanenana ny entona karbona
✳️ Ao anatin’ny fampiroboroboana ireo ezaka eo amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina (transition énergétique), dia Firenena 3 no voasafidy ho fitaratra (pilotes) : Botswana, Gambie ary Madagasikara. Izao dia tafiditra ao anaty fanatanterahana ny Fandaharanasa « #AFRETRAP« , tarihin’ny Vondrona Afrikanina (#UnionAfricaine). Miara-misalahy ny Vaomiera Afrikanina amin’ny Angovo (#AFREC).
✅️ Notanterahina androany 30 Mey 2025 teto amin’ny  » Novotel  » Ankorondrano , ny atrikasa famolavolana ny tondrozotra nasionaly momba ny fampihenana ny entona karbona eto Madagasikara , amin’ny alalan’ny firosoana lalina sy haingana ny fampiasana ny angovo azo havaozina.
✴️ Tondrozotra nasionaly hamaritra ireo dingana sy fepetra isan-karazany, hialana amin’ny fiankinan-doha sy fampiasana angovo mamoaka entona ratsy ho an’ny tontolo iainana na « gaz à effet de serre » (#GES). Laharam-pahamehana ny « décarbonation profonde » (#NDDP), amin’ny alalan’ny firosoana lalina sy haingana ny fampiasana ny angovo azo havaozina. Tondrozotra mifanaraka ihany koa amin’ny fanatrarana ny tanjon’ny #M300 sy ny vinan’ny Fitondram-panjakana ho amin’ny taona 2030.
➡️ Atrikasa niarahana tamin’ireo mpiara-misehatra, nakana antontanisa sy tahirin-kevitra, niompana tamin’ny fanolorana sy fandinihina ireo tetikasa fohy ezaka sy lavitr’ezaka ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa. Nofaranana tamin’ny fankatoavana ny tondrozotra iraisana izany miaraka amin’ireo soso-kevitra fanatsarana. Mamatsy vola ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana (#BAD).
*️⃣ Nitarika ny Delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (#MEH) sy ireo solontenan’ny Rantsamangaika , ny Sekretera Jeneraly, Atoa ANDRIANTSOA Thierry.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *