Angovo ho an’ny daholobe

Fampidirana herinaratra amin’ny HMP Vohibato


Haravoana ny an’ny mponina eto amin’ny Kaominina Alakamisy Itenina, Distrika Vohibato. Tontosa androany 03 Jolay 2025 ny fitokanana ofisialy ny Hopitaly Manarapenitra (
#HMP) eto an-toerana. Anjara biriky avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (
#MEH) ny fampidirana herinaratra eto amin’ity toeram-pitsaboana lehibe ity.

Toy izao ny mombamomba ny asa natao:
* Tirage de ligne MT 20kV à partir du Réseau MT JIRAMA d’Alakamisy Itenina
* Longueur de la ligne tirée : 800m soit 2500m de câbles utilisés
* Type de câble : 34.4mm² ALMELEC
* Nombre de poteaux MT : 16
* Transformateur installé : 20kV/B2 : 100 kVA = 1
* Avec IACM et disjoncteur B

Asa vita amin’ny alalan’ny Tetikasa
#LEAD, izay tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena (
#BanqueMondiale). Miisa 21 ireo HMP manerana ny Nosy hampidirana herinaratra, ankoatra an’ireo « Centre de Santé de Base » (
#CSB) miisa 500 efa misitraka herinatra amin’ny alalan’ny angovo azo havaozina.

Ankoatra izay dia efa anaty vina ny hampisitrahana herinaratra avy amin’ny masoandro ho an’ny CSB miisa 500 hafa manerana ny Nosy, amin’ny alalan’ny Tetikasa
#DECIM.