
Angovo ho an’ny daholobe
Fampidirana herinaratra amin’ny CSB any ambanivohitra

Himasoana ny fampidirana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra. Tanjona ny hampitombo avo roa heny ny tahan’ny vahoaka misitraka izany eto Madagasikara amin’ny taona 2030. Anisan’ny ezaka goavana ataon’ny Fitondram-panjakana Malagasy amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (
#MEH) ny fampidirana herinaratra amin’ny alalan’ny angovo azo havaozina, amin’ireo toeram-pitsaboana (Centre de Santé de Base) any ambanivolo.
#CSB miisa 500 no hisitraka izany amin’izao andiany voalohany izao. Asa tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena, amin’ny alalan’ny Tetikasa
#LEAD.

Efa tonga ao amin’ny CSB II Ambatofotsy, Distrikan’Ikongo, ireo fitaovana hamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro

. Efa any an-toerana koa ireo teknisianina hametaka ireo fitaovana.

Sary fanehoana : CSB II Taindambo sy CSB I Mont Passot izay efa misitraka herinaratra