Famolavolana ny fenitra amin’ny fatana mitsitsy
Fanenana ny fandaniana sy fiarovana ny ala
✅ Tontosaina eto amin’ny « Coco Lodge » Mahajanga mandritra ny 4 andro, ny atrikasa fanavaozana sy famolavolana ary fandaniana ny fenitra vaovao amin’ny fatana mitsitsy, mampiasa kitay, sy ny arina fandrehitra (saribao). Dingana lehibe amin’ny ezaka hanatsarana ny kalitao, sy hanomezana fanamarinana (certification) ny vokatra mba ho tombontsoan’ny vahoaka. Mandray anjara amin’ny atrikasa ireo mpikaroka, mpamokatra, solontenan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa, miaraka amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny.
➡️ Ny fampiasana arina sy kitay dia mbola mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny Malagasy kanefa mandripaka ny ala sy manimba ny fahasalaman’ny mponina. Mila fehezina araka izany ny fampiasana azy. Tarigetra amin’ny atrikasa ny hitondra fanatsarana ny kalitaon’ny fatana mitsitsy vokarina eto amintsika na mandeha amin’ny saribao io na mandeha amin’ny kitay.
▶️ Tanjona goavana ny hahazoana vokatra tsara mba tena hitsitsy tokoa ka hampihena ny fandaniana ara-angovo any amin’ny tokantrano tsirairay avy, sy fiarovana ny tontolo iainana amin’ny fandripahana ala ka miteraka ny fiovaovan’ny toetry ny andro.
🤝🏼 Manohana ny ezaka ny Tetikasa « Financement Intégré pour les Energies Durables » (#FIER), miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka dia ny #PNUD, #UNCDF, #ONUDI, #BNM.
📝 Tamin’ny taona 2018 (NMG 601-01 Mars 2018), no nasiam-panitsiana farany ny fenitra mifehy ny fatana mitsitsy. Ilaina araka izany ny mitondra ny fanavaozana mba hifanaraka amin’ny vina ananan’ny Fitondram-panjakana ankehitriny.
❇️ Nanokatra ny atrikasa androany, ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo, Atoa ANDRIANTSOA Thierry, notronin’ny Solontena lefitra eo anivon’ny PNUD, ny « Country Lead » an’ny UNCDF, ny Solontena maharitra eo anivon’ny ONUDI, ny Mpandrindra ny Tetikasa FIER ary ny Lehiben’ny sampandraharaha misahana ny fanamarinana eo anivon’ny BNM.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *