Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny Alarobia 5 Febroary 2025 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA, ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra NTSAY Christian, Lehiben’ny Governemanta sy ireo Minisitra isan-tokony.

Ho an’ny sehatry ny Angovo dia :


Nankatoavin’ny filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba ny Tetikasa « Tana Medium Ring ». Tanjon’ny Tetikasa ny fampitomboana ny tahan’ny fisitrahana herinaratra sy ny fanamafisana ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo amin’ny alalan’ny fananganana zotra mpitatitra herinaratra (lignes de transports d’énergie électrique) 90 KV mirefy 193 Km. Eo ihany koa ny fanamafisana ireo zotra efa misy sy fananganana » Sous-stations » miisa 8 ao Antsipolitra, Antsirabe I, Antanifotsy, Behenjy, Tana Sud II, Ambohijanaka, Tana Ouest II, ary Imerintsiatosika.

Ity Tetikasa ity dia anisan’ireo nifampiresahana nandritra ny fandraisana anjaran’ny Filohan’ny Repoblika tamin’ny FOCAC tany Sina, ny volana Septambra 2024. Efa vita avokoa ny fanadihadiana rehetra momba ity Tetikasa ity ary nanome toromarika ny Filohan’ny Repoblika ny hanfainganana ny fanatanterahana izany.

Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa ny fampitana am-bava momba ny firosoan’ireo tetikasa fananganana tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro 50 MW sy 250 MW.

Fanamby napetraky ny Filohan’ny Repoblika ny hampitomboana avo roa heny ny famokarana herinaratra amin’ny alalan’ny angovo azo havaozina sy ny hahafahan’ny 75% n’ny Malagasy hisitraka herinaratra hatramin’ny taona 2030. Efa miroso miandalana ankehitriny ny fanamboarana ireo tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro toy ny ao Ambatomirahavavy, izay anisan’ny hanamafy ny famokarana herinaratra ho an’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo.

Anisan’ny fotodrafitrasa goavana ihany koa ny tobim-pamokarana herinaratra izay hatsangana eny Tsarasaotra izay hanana tanjaka 100 MW, izay hanampy betsaka amin’ny famokarana angovo eto an-drenivohitra. Efa nanomboka avy hatrany ny fanomanana ny tany ary tokony hivoaka tsy ho ela ny tetiandro fanatanterahana. Efa voafaritra ihany koa ny hananganana ireo tobim-pamokarana any amin’ireo Renivohi-paritany izay mitotaly 30 MW any Nosy Be (Madiro), Antsiranana (Ramena), ary Toliara (lalan’ny seranam-piaramanidina).

Ny any Mahajanga, Toamasina ary Fianarantsoa kosa dia mbola mila anaovana fidinana ifotony manokana miaraka amin’ireo teknisianina hahafahana mamaritra ireo tany. Ireo velaran-tany hananganana ireo fotodrafitrasa dia nosafidiana manokana satria mamaly ireo mason-tsivana ara-teknika amin’ny fametrahana tobim-pamokarana mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Efa hanomboka avy hatrany ny famefena ireo tany izay voafaritra mialohan’ny hametrahana ireo « panneaux solaires ».