Notanterahina ny talata 25 febroary 2025 tao amin’ny IT Station Behoririka ny fivoriana niarahan’ny Antokon-draharaha Malagasy misahana ny Akoranafo (OMH) sy ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), ary ireo tompon’andraikitra samihafa eo anivon’ny Fadin-tseranana (Direction Générale des Douanes).

Niompana tamin’ny famelabelarana sy fandinihana ny didim-pitondrana mikasika ny fanafarana menaka motera (

lubrifiants automobiles et

industriels) sy ireo fepetra tokony horaisina manoloana ny fihanaky ny fivarotana menaka motera tsy nahazoana alalana ka hita eny amin’ny tsena ny fivoriana.

Miteraka fifaninanana tsy ara-drariny eo amin’ireo mpandraharaha mpanafatra sy mpivarotra menaka izay manana fahazoan-dalana, ny fihanaky ny fivarotana menaka motera tsy nahazahoana alalana.

Nivoitra tamin’ny fivoriana ny fanatsarana ny fiaraha-miasa, ny fanaraha-maso akaiky, ny fifampizarana antontan’isa ary ny fampitoviana fijery sy lamin’asa momba ireo sokajin’ny menaka motera izay mitaky fahazoan-dalana avy amin’ny OMH.
Io no fivoriana niarahana voaloahany, ho an’ireo andrim-panjakana telo ireo. Mbola hisy ny fivoriana manaraka hampitoviana tantana ny hetsika iarahana sy hametrahana lamin’asa vaovao.