Famatsiana herinaratra :
▶️Ny fanampiana solika no vahaolana izao
➡️ Main-tany izao, ririnina ny andro. Tsy ampy ny rano ao Mantasoa, Mandraka, Andekaleka, Tsiazompaniry, Antelomita ary Farahantsana. Maloka ny andro ka zara raha manome 10 MW amin’ny ny 40 MW andrasana aminy ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro etsy Ambatolampy, ho an’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo (RIA). Ny fanampiana ny solika hampiodina ireo milina mpihary herinaratra no vahaolana ho fanalefahana ny fahatapahan-jiro. Mila manomana tahirin-tsolika mitovy amin’ny fandaniana anaty 1 volana isika hialana amin’ny tsy fahampian’ny famokarana herinaratra, mandram-pahatongan’ny fahavaratra.
▶️ Nijery ifotony ny haavon’ny rano amin’ireo tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny rano omaly 20 Jolay 2023 sy androany 21 Jolay 2023 ny delegasiona tarihin’ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo Atoa Solo ANDRIAMANAMPISOA. Tanjona ny hahafahana manao kajy mazava amin’ny filàna ara-tsolika noho ny tsy fahampian’ny rano sy ny masoandro.
#️⃣ 10.000.000 m3
▶️ Latsaka lavitra noho ny tamin’ny herintaona toy izao, ny haavon’ny rano sy ny tahiry. Tombanana ho 40.000.000 m3 sisa izao no azo ampiasaina avy ao Mantasoa ohatra, izay mamatsy ny hatrany Andekaleka. Araka ny nambaran’ny teknisiana, dia lasa aloha ny fotoanan’ny fidinan’ny rano na “étiage” tamin’ity taona ity, raha mitaha ny tamin’ny taon-dasa. Tsy maintsy atao araka izany ny fitsinjarana sy fitsitsiana, ka 10.000.000 m3 isam-bolana no azo ampiasaina amin’ny rano avy ao Ampasimpotsy Mantasoa. Manomboka izao hatramin’ny volana Oktobra io. Aorian’izay dia antenaina ny fiverenan’ny orana indray. Tamin’ny 20 Jolay 2022, dia 77.000.000 m3 ny rano tonga sy azo nampiasaina ho an’ny tobim-pamokarana herinaratra ao Mandraka. Omaly 20 Jolay 2023 nefa, dia 70.000.000 m3 izany araka ny fanamarinana nataon’ny teknisiana. Io elanelana io, no mahatonga ny filàna ara-tsolika hiakatra.
#️⃣ Tsara ny manamarika fa misy koa ny fe-potoana tsy azo anoharana amin’ny fahatongavan’ny rano:
– Ampasimpotsy Mantasoa – Mandraka mirefy 11km ny elanelana (adiny 5 hatramin’ny adiny 6) amin’ny fandehany 2m3 isan-tsegondra
– Tsiazompaniry – Antelomita (32 ora)
– Antelomita – Mandroseza (16 ora)
– Mandroseza – Farahantsana (72 ora)
✔️ Nandritra ny fidinana ifotony, no nijerena ihany koa ny filàna fanamboarana milina iray simba (*hita amin’ny sary) ao Mandraka izay manana tanjaka 6 MW. Eo amin’ny herinandro eo no faharetan’ny asa fanamboarana.
#️⃣ Tohin’ny fanadihadiana
➡️ Taorian’ny zava-nitranga tamin’ny Alahady lasa teo, nialoha ny tafatafa nataon’Atoa Filoham-pirenena Malagasy tamin’ny vahoaka, dia nidina ifotony teny Anosizato sy tao Ambohimanambola ny delegasiona notarihin’Atoa Minisitry ny Angovo sy Akoran’afo. Izany dia tohin’ny fanadihadiana nosokafana ho an’ireo tompon’andraikitra.
▶️ Manohy hatrany ny ezaka rehetra ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoran’afo hananan’ny vahoaka ny tsara eo amin’ny famatsiana herinaratra. Hisitrahan’ny rehetra ny angovo sahaza ho azy ary mitondra ny vahaolana rehetra ilaina hanatsarana bebe kokoa izany tolotra izany amin’ny alalan’ny fananganana fotodrafitrasa maro isan-karazany manerana ny Nosy iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka izay resy lahatra, araka ny velirano faha-2 nataon’Atoa Filoham-pirenena Malagasy: « Angovo ho an’ny daholobe ».

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *