Famatsiana herinaratra:
Handatsahana orana ireo sahandriaka
#️⃣ Feno ny fepetra hahafahana mandatsaka orana (tsy voa-janahary) amin’ny sahandriaka ao Andekaleka sy ao Tsiazompaniry ary ao Mantasoa, anio 6 Aogositra 2023 sy rahampitso Aogositra 2023.
✅Ho an’ny androany dia vita tamin’ny 1 ora tolakandro ny fanaovana ny fandatsahana ny orana tamin’ireo toerana voalaza etsy ambony. Miara-misalahy amin’izany ny JIRAMA sy ny Sampana mpamantatra ny toetr’andro, araka ny hitantsika amin’ ny sary.
✅ Tanjona ny hampiakarana ny haavon’ny rano ao amin’ireo tohodrano mpamokatra herinaratra, hahafahana mampitombo ny vokatra sy mifehy ny fahatapahan-jiro, indrindra eto amin’ny Tambazotra Iraisan’ Antananarivo (RIA).
📸 Sary: JIRAMA

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *