[REQ_ERR: OPERATION_TIMEDOUT] [KTrafficClient] Something is wrong. Enable debug mode to see the reason.
Fako avadika ho angovo - Ministère de l'Energie et des Hydrocarbures
Ministère de l'Énergie et des Hydrocarbures
Fako avadika ho angovo
Angovo madio
Fako avadika ho angovo
Mazava ny tanjona, dia ny fanomezana sehatra ny famadihana ny fako ho lasa angovo. Nisy ny atrikasa « MatchMaking Event National » izay notanterahina teny amin’ny PANORAMA Andrainarivo, ny 15 Novambra 2024.
Fotoana ampivondronana ireo mpisehatra sy matihanina, amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra sy fifampizaràna traikefa. Tarigetra ny hametrahana drafitra matipaika sy fampivelarana ny fifandraisana eo amin’ny mpisehatra sy ireo mpiara-miombon’antoka.
Tafiditra tanteraka amin’ity tetikasa ity ihany koa ny fomba fahandroana sakafo amin’ny angovo madio ( Cuisson Propre/ Clean Cooking), izay anisan’ny anjara famelabelarana nentin’ny solontenan’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH) nandritra ny atrikasa .
Voaresaka fa 80 % an’ny tokantrano Malagasy ankehitriny no mbola mampiasa arina fandrehitra mahazatra na kitay (charbon de bois et bois de chauffe) izay sady misy fiantraikany ratsy amin’ny fahasalamana no manimba ny tontolo iainana .
Anisan’ireo tonga nanatrika ny atrikasa ny solontena avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), ny avy amin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy ( MEDD), ny solontenan’ny TWENex ary ny AIDES.