Atrikasa fananganana ny fandaharan’asa nasionaly
Notanterahina androany 12 Jolay 2024 teto amin’ny Foiben’ny Firenena Mikambana eto Andraharo, ny atrikasa fananganana ny fandaharan’asa nasionaly ho firosoana amin’ny fomba fahandroana sakafo avy amin’ny angovo madio eto Madagasikara. Tanjona ny hampiakatra ny tahan’ny tokantrano Malagasy hiroso amin’ny fampiasana ireo fomba fahandroana sakafo amin’ny angovo madio, na ny eto an-drenivohitra izany na ho an’ny tontolo ambanivohitra.
95% amin’ny tokantrano Malagasy no mbola mampiasa ny arina fandrehitra mahazatra (charbon de bois) na ny kitay, raha 60% izany manerana an’i Afrika. Vina lehibe ny hampiakatra ny tahan’ny fampiasana fomba fahandroana sakafo amin’ny angovo madio (Cuisson Propre). Efa maro ireo teknolojia sy angovo afaka ampiasaina (bioéthanol, gaz butane, herinaratra, biogaz, foyers améliorés, sns). Zava-dehibe noho izany ny tantsoroka avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy ireo mpamatsy vola, ho fanatrarana ny tanjona iombonana.
Niara-nisalahy ho fananganana ny fandaharan’asa, ny Delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), sy ny avy amin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy (MEDD), ary ny ONUDI . Ny fehin-kevitra farany dia ho atolotra eny anivon’ny Filan-kevitry ny Governemanta, ho fankatoavana izany.