Fahandroana sakafo amin’ny angovo madio
Mitovy ny fomba fijery
✅️ Miray feo ny rehetra. Hirosoana ny fampiasana angovo madio eto Madagasikara, anisany ireo fomba sy teknolojia amin’ny fahandroana sakafo. Tontosa androany 23 Oktobra 2024 teto amin’ny « Hôtel Carlton » ny andro faharoa sady famaranana ny atrikasa ho fampiroboroboana ny fomba fahandroana sakafo avy amin’ny angovo madio eto Madagasikara (Promotion de la Cuisson propre à Madagascar). 🤝 Miara-misalahy ny Fitondram-panjakana (MEH, MEDD, MIC), sy ireo mpiara-miombon’antoka (ONUDI, PNUD, SEforALL, WWF, PAM) ary ireo mpisehatra tsy miankina mivondrona eo anivon’ny « Madagascar Clean Cooking Initiative » (MCCI).
⏩️ Tokana ny tanjona iraisana dia ny fiaraha-mientana hitondra fanovana eo amin’ny fahazarana sy ny toe-tsaina, hampiroboroboana ny sehatry ny fahandroana sakafo amin’ny angovo madio eto Madagasikara. 📍Sady fikajiana ny tontolo iainana (90.000 Ha isan-taona ny ala ripaka) no hiadiana amin’ny fiovaovan’ny toetrandro (75% ny entona manapoizina vokatry ny fampiasana arina fandrehitra sy kitay) ary ho fiahiana ny lafiny fahasalamana (olona 16.000 isan-taona no maty vokatry ny faharatsian’ny rivotra iainana).
▶️ Naneho ny hetahetany ireo mpisehatra, nilaza ny olana sedrainy sy nanolotra vahaolana ary naneho ny fahavononany hanohy ny ezaka. 🟢Hisokatra tsy ho ela ny fifaninanana ho an’ireo mpisehatra amin’ny fahandroana sakafo amin’ny angovo madio eto Madagasikara, izay hahazoana fiofanana sy fanampiana ara-bola mitentina 60.000 dolara ho an’izay tetikasa maharesy lahatra ireo mpamatsy vola (PNUD, ONUDI, WWF). Hatsangana amin’ny herinandro ho avy izao ny komity hiandraikitra ny fikarakarana ny fifaninanana.