Fahandroana sakafo amin’ny angovo madio
Mitovy ny fomba fijery
✅️ Miray feo ny rehetra. Hirosoana ny fampiasana angovo madio eto Madagasikara, anisany ireo fomba sy teknolojia amin’ny fahandroana sakafo. Tontosa androany 23 Oktobra 2024 teto amin’ny « Hôtel Carlton » ny andro faharoa sady famaranana ny atrikasa ho fampiroboroboana ny fomba fahandroana sakafo avy amin’ny angovo madio eto Madagasikara (Promotion de la Cuisson propre à Madagascar). 🤝 Miara-misalahy ny Fitondram-panjakana (MEH, MEDD, MIC), sy ireo mpiara-miombon’antoka (ONUDI, PNUD, SEforALL, WWF, PAM) ary ireo mpisehatra tsy miankina mivondrona eo anivon’ny « Madagascar Clean Cooking Initiative » (MCCI).
⏩️ Tokana ny tanjona iraisana dia ny fiaraha-mientana hitondra fanovana eo amin’ny fahazarana sy ny toe-tsaina, hampiroboroboana ny sehatry ny fahandroana sakafo amin’ny angovo madio eto Madagasikara. 📍Sady fikajiana ny tontolo iainana (90.000 Ha isan-taona ny ala ripaka) no hiadiana amin’ny fiovaovan’ny toetrandro (75% ny entona manapoizina vokatry ny fampiasana arina fandrehitra sy kitay) ary ho fiahiana ny lafiny fahasalamana (olona 16.000 isan-taona no maty vokatry ny faharatsian’ny rivotra iainana).
▶️ Naneho ny hetahetany ireo mpisehatra, nilaza ny olana sedrainy sy nanolotra vahaolana ary naneho ny fahavononany hanohy ny ezaka. 🟢Hisokatra tsy ho ela ny fifaninanana ho an’ireo mpisehatra amin’ny fahandroana sakafo amin’ny angovo madio eto Madagasikara, izay hahazoana fiofanana sy fanampiana ara-bola mitentina 60.000 dolara ho an’izay tetikasa maharesy lahatra ireo mpamatsy vola (PNUD, ONUDI, WWF). Hatsangana amin’ny herinandro ho avy izao ny komity hiandraikitra ny fikarakarana ny fifaninanana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *