Fahandroana sakafo amin’ny angovo madio
Fandrafetana ny politika nasionaly
➡️ Miroso hatrany amin’ireo dingana hahafahana mandrafitra ny politika nasionaly amin’ny fampiroboroboana ny fomba fahandroana sakafo avy amin’ny angovo madio eto Madagasikara, ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy ny « Cabinet Sapphyre ».
✅️ Tontosa androany 31 Oktobra 2024 teto amin’ny « Hôtel PANORAMA » Andrainarivo ny atrikasa nasionaly ho fankan-kevitra avy amin’ireo sehatrasa miankina amin’ny Fanjakana, mba hahafahana mandrafitra ny politika nasionaly amin’ny fampiroboroboana ny fomba fahandroana sakafo amin’ny angovo madio (Cuisson Propre/Clean cooking) na « Atelier de consultation des acteurs du secteur public et planification stratégique».
▶️Tanjona ny hananana politika mazava hampiharina eto Madagasikara mba hialàna amin’ny fampiasana angovo nentim-paharazana.
✴️ Mahatratra 95 % amin’ny tokantrano Malagasy no mbola mampiasa ny fomba fahandroana sakafo amin’ny arina fandrehitra sy kitay (charbon de bois et bois de chauffe), izay miteraka fiantraikany ratsy amin’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana.
☑️ Tafiditra tanteraka anatin’ny paikady ho fisorohana izany, izay mifandraika amin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana (PGE) sy ho fanatrarana ny ODD7, dia laharam-pahamehana ny firosoana amin’ny fampiasana ireo angovo azo havaozina sy akora biolojika, mifanaraka amin’ny fomba fahandroana sakafo madio.
🟢 Nitarika ny fotoana ny f Tale Jeneralin’ny « Cabinet Sapphyre » Atoa JIBIKILAY Honoré. Nisolo tena ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo Atoa FIDIARISON Kenny Marco Louis « Directeur de la Promotion de l’Ethanol et de la Bioenergie », sy Atoa RABOANA Harijaona « Coordonnateur des Projets Émergents ». Nanotrona ny solontena avy amin’ireo Ministera mpiara-miasa dia ny MEDD, MIC ary ireo mpiara-miombon’antoka avy amin’ny WWF sy ny PAM.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *