Fahandroana sakafo amin’ny angovo madio
Nisokatra ny fakan-kevitra nasionaly
✅ Mazava ny tanjona. Manomboka ny asa fandrafetana ny politika nasionaly momba ny fampiroboroboana ny fomba fahandroana sakafo amin’ny angovo madio eto Madagasikara (lettre de politique pour le développement de la cuisson propre à Madagascar). Nisokatra androany 21 Oktobra 2024 teto amin’ny « Hôtel Panorama » Andrainarivo, ny atrikasa fakan-kevitra ho fanomanana ny drafitra stratejika. Hitohy any Toliara, Toamasina, Fianarantsoa, Mahajanga ary Antsiranana ny fakan-kevitra ho an’ireo mpisehatra rehetra.
❇️ Mpiara-miombon’antoka ny ONUDI, ny PNUD, ny PAM, ny GIZ, ny SEforALL, ary ny UNESCO. Mandray anjara mavitrika ny « Madagascar Clean Cooking Initiative » (MCCI), izay hivondronan’ireo mpisehatra 48 avy amin’ny Faritra 13 eto Madagasikara, hatreto.
🤝 Miaraha-misalahy amin’ny MEH amin’ny fanatontosana ny tetikasa ny MEF, ny MEDD, ny MPS, ny MIC ary ny « Cabinet Sapphyre R&D ».
📍95 % amin’ny tokantrano Malagasy ankehitriny no mbola miankina tanteraka amin’ny fomba fahandroana sakafo amin’ny arina fandrehitra sy kitay (charbon de bois et bois de chauffe), izay misy fiantraikany ratsy amin’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana.
➡️ Ao anatin’ny paikady ho fisorohana izany, izay mifandraika amin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana (PGE) sy ho fanatrarana ny ODD7, dia laharam-pahamehana ny firosoana amin’ny fampiasana ireo angovo azo havaozina sy akora biolojika, mifanaraka amin’ny fomba fahandroana sakafo madio eto Madagasikara.