Fahandroana sakafo amin’ny angovo madio
Fampiofanana teknisianina eto Mahajanga
✅️ 10 Oktobra 2024 _ Ao anatin’ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina eto Madagasikara, dia manatanteraka fampiofanana teknisianina amin’ny fanamboarana ireo fitaovana hanaovana arina manaja ny tontolo iainana (Charbon écologique) ny « Fédération des Chambres de Métiers et de l’Artisanat de Madagascar » (FCMAM) eto Mahajanga. Anisan’ireo fitaovana ohatra ny  » Carbonisateur , Broyeur , Malaxeur , Extrudeuse  ».
▶️ Nanatanteraka fidinana ifotony nijery ireo teknisianina miisa 4 miofana, ny Tale isam-paritry ny Angovo sy ny Akoranafo (DIEH) Mahajanga, Rtoa VAVIZARA Sylvie.
➡️ Marihina fa rehefa vita ny fiofanana dia hiroso amin’ny famokarana arina fandrehitra mikajy ny tontolo iainana ireo teknisianina.
#️⃣ Izao dia tafiditra anatin’ny ezaka fampiroboroboana ny fomba fahandroana sakafo amin’ny angovo madio (cuisson propre / clean cooking) beto Madagasikara izay mifandraika amin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana (PGE) .
📸 Sary : DIEH Mahajanga

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *