Fahandroana sakafo amin’ny angovo madio
Fandrafetana ny politika nasionaly
✅ Kihon-dalana lehibe manamarika ny fampiroboroboana ny angovo azo havaozina eto Madagasikara ny 4 Oktobra 2024. Tontosa teny amin’ny « Hôtel 5 Etoiles » Ivato ny fanombohan’ny fandrafetana ny politika nasionaly amin’ny fampiroboroboana ny fomba fahandroana sakafo amin’ny angovo madio (Cuisson Propre/Clean cooking) na « lancement officiel de l’élaboration de la lettre de politique sur le développement de la cuisson propre à Madagascar ». Fiaraha-misalahy eo amin’ny MEH, MEF, MEDD, MPS, MICC sy ny « Cabinet Sapphyre R&D », ary tohanan’ny PNUD.
▶️ 95 % amin’ny tokantrano Malagasy ankehitriny no mbola miankina tanteraka amin’ny fomba fahandroana sakafo amin’ny arina fandrehitra sy kitay (charbon de bois et bois de chauffe), izay misy fiantraikany ratsy amin’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana.
📍Ao anatin’ny paikady ho fisorohana izany, izay mifandraika amin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana (PGE) sy ho fanatrarana ny ODD7, dia laharam-pahamehana ny firosoana amin’ny fampiasana ireo angovo azo havaozina sy akora biolojika, mifanaraka amin’ny fomba fahandroana sakafo madio ny Governemanta Malagasy.
➡️ Araka ny nambaran’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier, dia miantoka tanteraka ny fampandrosoana an’i Madagasikara, eo amin’ny lafiny sosialy sy ekonomika, ary koa ny lafiny ara-pahasalamana sy ny fiahiana ny tontolo iainana ny fampiroboroboana ny fomba fahandroana sakafo amin’ny angovo madio.
❇️ Anisan’ny tonga nanome voninahitra ity lanonana ity, ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy (MEDD) Atoa Max FONTAINE, ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, (MPEB) Atoa Paubert MAHATANTE sy ny Solontena Maharitry ny PNUD eto MAdagasikara Atoa Edward CHRISTOW, ary ireo solontena maro avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *