Drafitra fanarenana ny orinasa JIRAMA
Tafiditra anaty paikady entina hanatsarana ny fomba fiasa sy ny fomba fitantanana ny orinasa JIRAMA ny fananana drafitra fanarenana na ny « Plan de redressement ».
Tontosa teto amin’ny Ampandrianomby ny 30 Aogositra 2024, ny fihaonana teo amin’ny delegasiona notarihin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier sy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny orinasa JIRAMA izay notarihin’ny Tale Jeneraly Atoa Ron WEISS. Fihaonana niompana tamin’ny fampahafantarana ny drafitra fanarenana na « Plan de Redressement » ho an’ny orinasa JIRAMA.
Izao no marika fa himasoana ny fitadiavana vahaolana eo amin’ny famokarana, sy ny fitaterana ary ny fitsinjarana herinaratra eto Madagasikara. Teboka lehibe efatra no lahadinika, dia ny fanatsarana ny rafi-pitantanana na « Plan de redressement du système », ny lafiny ara-bola na « Plan de redressement financier », ny ara-teknika na « Plan de redressement technique » ary ny fanatsarana ny tolotra na ny « Qualité de service ». Tanjona ny hanome fahafaham-po ireo mpanjifa, sy ny hampitoboana ny tahan’ny vahoaka misitraka herinaratra eto Madagasikara.