
Izao no marika fa himasoana ny fitadiavana vahaolana eo amin’ny famokarana, sy ny fitaterana ary ny fitsinjarana herinaratra eto Madagasikara. Teboka lehibe efatra no lahadinika, dia ny fanatsarana ny rafi-pitantanana na « Plan de redressement du système », ny lafiny ara-bola na « Plan de redressement financier », ny ara-teknika na « Plan de redressement technique » ary ny fanatsarana ny tolotra na ny « Qualité de service ». Tanjona ny hanome fahafaham-po ireo mpanjifa, sy ny hampitoboana ny tahan’ny vahoaka misitraka herinaratra eto Madagasikara.