Dinikasa momba ny sehatry ny angovo sy ny akoranafo
✅️ Tontosa teto amin’ny Amphithéâtre Ampandrianomby, androany 5 Septambra 2024, ny dinikasa ho an’ny sehatry ny angovo sy ny akoranafo, izay notarihin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Atoa NTSAY Christian.
❇️ Nodinihana tsirairay ireo tetikasa rehetra amin’ity sehatra lehibe izay iankinan’ny fampandrosoana ny Firenena ity, sy fanatontosana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana (PGE).