Angovo azo avy amin’ny rano
Nanomboka androany ny Dinika faha-2 miaraka amin’ny SSTC
Manatanteraka iraka eto Madagasikara mandritra ny 12 andro, ny Delegasiona avy any Indonezia misahana ny « South-South and Triangular Cooperation » (SSTC). Ny lafiny fampiroboroboana ny sehatry ny angovo azo havaozina, ho fiadiana amin’ny fiovaovan’ny toetry ny andro no tanjona iraisana. Nanomboka androany 10 Jona 2024 tolakandro teto amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH) Ampandrianbomby ny Dinika faha-2. Maromaro ny teboka hifanakalozan-kevitra mandritra ny dian’izy ireo eto amintsika, ka anisany ny Tetikasa fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny rano, ny lafiny fampiofanana sy fifampizaràna traikefa sy fahaiza-manao, ary fijerena ireo toerana hananganana ny fotodrafitrasa any amin’ny Faritra Amoron’i Mania.
Miara-misalahy amin’ny MEH amin’ny alalan’ny ADER, ny GIZ Indonezia, sy ny Tetikasa PERER an’ny GIZ eto Madagasikara, ary tohanan’ny Ministera Federalin’i Alemana misahana ny Fiaraha-miasa ara-Toekarena sy ny Fampandrosoana (BMZ).
Nandritra ny fanokafana ity Dinika politika ity, dia nohamafisin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier, ny fahavononan’ny Fitondram-panjakana Malagasy, hampitombo ho 70 % ny taham-pisitrahana herinaratra, indrindra ho an’ny tontolo ambanivohitra. Ananantsika rahateo ny akora fototra rehetra.
Ny maraina moa no nisokatra tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny « Le Centell Hôtel» Antanimena ny atrikasa, notarihin’ny Sekretera Jeneralin’ny MEH, Atoa ANDRIANTSOA Thierry, sy notronin’ny Lehiben’ny Delegasiona Indonezianina Atoa Lanang SEPUTRO, izay sady « Head of Mission » eo anivon’ny Masoivohon’ny Repoblikan’i Indonezia, misahana an’i Madagasikara, Maurice, Seychelles ary Comores.
Tsiahivina fa ny volana Desambra 2023, no tontosa tany Indonezia, ny fivoriana nanapahana ny fandaharanasa fampiofanana momba ny angovo azo havaozina eto Madagasikara amin’ity taona 2024 ity, sy amin’ny 2025, ho an’ireo teknisianina eto anivon’ny MEH, ny ADER, ny ORE ary ireo avy amin’ny sehatra tsy miankina.
Ankoatra izay, dia hisy ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa, ny volana Septambra 2024, hatao any Bali (Indonezia), mandritra ny hetsika « Forum Afrique-Asie».