Angovo azo havaozina
Dinika amin’ny fananganana laboratoara fitiliana fitaovana mandeha amin’ny masoandro
Notanterahina teto amin’ny « Hôtel Carlton » Anosy, androany 20 Septambra 2024, ny atrikasa nandinihana ny vina hananganana laboratoara fitiliana fitaovam-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro, na » Etude de faisabilité de l’implantation d’un laboratoire de tests accrédité de systèmes solaires domestiques ».
Tarigetra ny fampanarahana fenitra (normes) amin’ny kalitaon’ny herinaratra sy ireo fitaovana mandeha amin’ny masoandro, eto amintsika. Miara-misalahy amin’izany, ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), ny Ministeran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana (MICC), ny Banky Iraisam-pirenena ary ny ONUDI. Mpiara-miasa teknika ny « Fondation Energies pour le Monde » (FONDEM) sy ny « Energie Technologie » (ET). Mpanohana kosa ny WWF.
Mitentina 297 674 Dolara no famatsiam-bola ilaina voalohany hahafahana manomboka ny asa. Tafiditra indrindra amin’ny fanatanterahana ny « Nouvelle Politique Energétique » (NPE) izao. Anisan’ny lahadinika androany : ny fandrafetana ny filàna ho fananganana ny laboratoara, ireo pitsopitsony tokony arahina momba ny fanafarana ireo fitaovana ilaina, fizaràna traikefa avy amin’ireo teknisianina efa misahana ny sehatra eto Afrika, ny fijerena ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka liana amin’ny tetikasa, ny fanangonana tolo-kevitra sy fanolorana drafitra ary sori-dalana ho firosoana amin’ny dingana manaraka.
Tsiahivina fa tanjona anaty NPE ny fampitomboana hatramin’ny 70% ny tahan’ny vahoaka misitraka herinaratra eto Madagasikara hatramin’ny 2030, ka ny 40% dia ho an’ny tontolo ambanivohitra.
Nisolo tena ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo, androany, ny Talen’ny Fotodrafitrasa Vaventy (DGI), Atoa RAMANANTSOA ANDRIAMPANIRY Tovoniaina, sy ny Tale misahana ny Fampiroboroboana ny Fandaharanasa momba ny Angovo (DEE), Rtoa RAZAFIMAHATRATRA Dina.