Didim-panjakana manokana fampiharana ny CODELEC
Atrikasa ho an’ny EnR/EE/FE
➡️ Tontosaina manomboka androany 18 Jona 2024, ary haharitra roa (2) andro eny amin’ny Hôtel Ibis Ankorondrano, ny atrikasa teknika ho famolavolana didim-panjakana manokana (décrets spécifiques) fampiharana ny lalàna mifehy ny herinaratra eto Madagasikara na « Code de l’Electricité » (CODELEC). Miisa 3 ireo didim-panjakana manokana hifanakalozana miaraka amin’ireo mpahay lalàna vahiny (avy amin’ny Cabinet GIDE Loyrette Nouel) sy ireo tompon’andraikitra Malagasy isan-tsokajiny :
* Voalohany ny mifehy ny angovo azo havaozina na « Energies Renouvelables » (EnR),
* Faharoa ny momba ny fanjariana ara-angovo na « Efficacité Energétique » (EE),
* Fahatelo ny mifehy ny famokarana herinaratra na « Fourniture d’Electricité » (FE).
❇️ Mitana anjara toerana lehibe anaty fampandrosoana ny Firenena ny sehatry ny angovo. Tanjona ny hampitombo ny famokarana herinaratra sy hampiakatra avo roa heny ny taham-pisitrahana izany eto Madagasikara. Fitaovana lehibe ho fampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (3P), ny famolavolana an’ireto didim-panjakana manokana ireto.
▶️ Nandritra ny atrikasa natao androany, dia nitarika ny Delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), ny Sekretera Jeneraly Atoa ANDRIANTSOA Thierry, notronin’Atoa Tale Jeneralin’ny Angovo sy ny Akoranafo sy Atoa Tale Misahana ny Lalàna (DAJ). Anisan’ny mpandray anjara ny ekipan’ny ORE, ny ADER, ny Banky Iraisam-pirenena ary ny LEAD

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *