DIABE FANKALAZANA NY FAHA-65 TAONA NIVERENAN’NY FAHALEOVANTENA SY NIJOROAN’NY FOLOALINDAHY 🇲🇬
✳️ Notanterahina androany 4 Jona 2025 ny Diabe fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantena sy nijoroan’ny Foloalindahy, niainga teo amin’ny vavahadin’ny zaridainan’Ambohijatovo, ary nifarana teo amin’ny kianjan’ny BAREA Mahamasina. Nisy avy eo ny lalao baolina kitra ara-pirahalahiana, teo amin’ny Mpikambana ao amin’ny Governemanta sy ireo vondron’ny mpitandro filaminana.
✅️ Anisan’ny nandray anjara feno tamin’ny hetsika androany, ny Delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo, notarihin’ny Minisitra, Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier.
🇲🇬 Ny fitiavan-tanindrazana mitarika fandrosoana

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *