
Notanterahina androany 4 Jona 2025 ny Diabe fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantena sy nijoroan’ny Foloalindahy, niainga teo amin’ny vavahadin’ny zaridainan’Ambohijatovo, ary nifarana teo amin’ny kianjan’ny BAREA Mahamasina. Nisy avy eo ny lalao baolina kitra ara-pirahalahiana, teo amin’ny Mpikambana ao amin’ny Governemanta sy ireo vondron’ny mpitandro filaminana.