Angovo azo avaozina :
Nahazo herinaratra ny CSB eto Tsitondroina
✅ Ny CSB II eto Tsitondroina Distrikan’Ikalamavony, Faritra Matsiatra Ambony, no nahazo herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy Akoranafo. Nanatontosa ny fanolorana androany 5 Oktobra 2023 ny Tale iraisam-paritry ny Angovo sy ny Akoranafo (DIEH) Fianarantsoa sy ireo tompon’andraikitra maro isan-tsokajiny teto an-toerana.
➡️ Manana tanjaka 1900W ny herinaratra, misy takamoa (ampoules) 17, vatoaratra (batterie) 5 x 2500Wh, famonoana afo 1, vata fiarovana 1, « panneaux » 6 mitondra 350W avy, onduleur 1 manana tanjaka 3000W.
▶️ Izao dia tafiditra indrindra ao anatin’ny vinam-panjakana momba ny fampisitrahana herinaratra, hiarahana amin’ny tetikasa LEAD, amin’ilay fandaharan’asa fampisitrahana herinaratra CSB miisa 500 manerana ny Nosy.
📸 Sary : DIEH Fianarantsoa

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *