🟩 Angovo ho an’ny daholobe
🌞 Fampidirana herinaratra amin’ireo CSB
✅️ Haravoana ny an’ny mponina eto amin’ny Fokontany Mon Passot, Prefektioran’i Nosy Be. Nahazo herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro ankehitriny ny tobim-pitsaboana, na « centre de santé de base » (#CSB) eto an-toerana, izay niorina ny taona 2017.
✳️ Mandeha 24 ora amin’ny 24 ora ny herinaratra, famatsiana manana tanjaka 2,1 KW , manana « convertisseur », sy vatoaratra (batteries) 16 kWh. Santionany amin’ireo CSB miisa 4 nahazo herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro eto Nosy Be. Mitotaly 18 izy ireo eto amin’ny Faritra Diana, ary 500 manerana ny Nosy. Ny Vondrona IXEO-JIMMY no nanatontosa ny asa teto Mont Passot, ka 266 amin’ireo #500CSB ireo dia niandraiketany. Asa vita ao anaty fanatanterahana ny Tetikasa #LEAD, tarihin’ny mpandrindra Barnia Flowernysd Raherinantenaina . Manohana ny Banky Iraisam-pirenena (#BanqueMondiale).
✴️ Tontosa ny 23 Mey 2025 ny fitokanana ny fahazoan’ny CSB eto Mont Passot, herinaratra, teo ambany fitarihan’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (#MEH), Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier, notronin’ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy teto Nosy Be, ny Governoran’ny Faritra Diana, ny lefitry ny Lehiben’ny Prefektiora, ary ny solontenan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
➡️ Ankoatra izay dia efa anaty vina ny hampisitrahana herinaratra avy amin’ny masoandro ho an’ny CSB miisa 500 hafa manerana ny Nosy, amin’ny alalan’ny Tetikasa #DECIM.
#angovohoannydaholobe
Andry Rajoelina
#energiesrenouvelables
#MEH
#ODD7